WeMedia 2008 Miami
Lova a été invité en tant que membre de Global Voices Online et éditeur du très très actif Global Voices Malagasy à assister à la Conférence WeMedia 2008 et sera accompagné de nos amis de Voices Bolivia pour présenter les Rising Voices. Alors tenez-vous connectez et prêts sur le site de Foko dès le 27 Février 2008 car il y aura du liveblogging du chatting et du networking!
Nous allons garder un oeil sur :
- Mercredi 27 Septembre à 5h25: Le Monde "Indigène" |Raconter nos propres histoires
Sanjeev Chaterjee, Director, Knight Center for International Media
Session Chair: David Sasaki, Rising Voices
Gazety_Avylavitra : Cyclône IVAN
Niditra tao Sainte Marie omaly ny cyclone IVAN. Nandrava zavatra maro, fa ny tena tiako hampitaina eto dia ny fahatapahan’ny fifandraisana nahatonga faty olona sivy tany an-toerana. Omaly dia nisy vehivavy niantso maika ny rainy taty Antananarivo nilaza fa nianjeran-javatra ny hotely nisy azy ary dia nirodana ka tototra ao miaraka amin’ny olona valo hafa izy. Ary dia io rainy io kosa nandefa antso vonjy tao amin’ny RNM (Radio National Malagasy). Naverina tao amin’ny Radio io antso io sao mba misy afaka mamonjy azy ireo any an-toerana. Rehefa avy nandefa ny antso tao amin’ny Radio ity raim-pianakaviana dia niverina niantso an-janany tamin’ny telefaonina indray, nefa indrisy fa tsy nisy nandray intsony izay antso rehetra nataony.
Gazety Avylavitra : Procambarus * Foza orana
Procambarus na ” foza orana “.
Ny fomba iainan’ny tantsaha eny Betsimitatatra ny
andavanandrom-piainany miatrika ity biby mpanani-bohitra ity no
fanadihadiana entiko aminao anatin’ity lahatsoratra ity. Biby miaina sy
mora velona anaty faritra mando izy ity. Tsy mifidy izy amin’izany na
rano madio io, na maloto, na rano mandeha na miandrona. Araka ny
fanazavan’ireo tantsaha tafaresaka tamiko, dia rehefa tsy afa-po
amin’ny toerana mihidy (dobo) nisy azy ity biby ity dia mahavita
miakatra an-tanety mitady toerana hifindràna. Kendreny kosa anefa,
hono, mba ho faritra mando mandrakariva toy ny bozabozaka amoron-drano,
na ny toy izany io toerana ataony làlana hifindrana monina io.

Welcome to Blaogin'i (foko) Blog Club




