club | 24 Septambra, 2008 22:38
Ny fahatongavany ekipa mavesatra ny mpitoraka blaogy mikarakara ny Rising Voices izay nosoloany David sy Georgia tena dia nahafinaritra be tokoa satria dia nafahahana nifanome traikefa sy fifanakalozana fa indrindra ny fifandraisana izay nisy teo amin ny ekipa ny foko rehetra isaka ny region.
Iza moa i David: raha ny momba ity ranamana iray ity dia azo lazaina fa izy no anisany lehibe izany oe ny sefo be ny Rising Voices ary ny fahatongavany teto Madagasikara dia tsy tonga ho azy satria dia noho ny fanarahana ny asa ny ekipa rehetra teto an-toerana sy ny fanataterahana ny asa ny atao oe mitoraka blog, manaraka izay dia azo lazaina fa ireo firenena izay notsidihany David araka ny fandinihina natao dia ireo firenena tena efa mandroso tokoa raha ny momba ny fitorahana no asian-dresaka, manaraka izay raha i Georgia indray no resahina dia azo lazaina fa tsy tongatonga foana ihany koa izy io satria raha ny toerana misy azy no dinihina dia tena voninahitra be ho any ekipa ny foko rehetra ihany koa no nandray azy satria ry tompoko lahy sy tompoko vavy i Georgia no lehibe ny GV izany oe raha ny lafiny eo amin ny sehatra no jerena izany dia ny GV no nanome ny rantsany RV koa araka izany dia mety tsapa sy hita ny finiavan izy ireo ny hitsidika any Madagasikara etsy an-daniny fa ihany koa ny hitondra sy ny hitsidika ny Foko-madagikara etsy an-kilany.
Raha ny tantarany David sy Georgia no andeha asian-ventin-dresaka dia
tahaka izao: Ny alahady 14 ny volana septambra i Georgia no tonga teto
madagasikara ary ny alatsinainy 15 kosa ra david no nigadona teto
Madagsikara izay vao avy any Brussels nitondra any pati izay tsiahivina
fa tonga ny alahady ihany koa izy io namonjy ny fivorian ireo tanora
momba ny andro iraisam-pirenena ny fiankinan-doha izay azo ambara fa
dia nahomby tanterak satria dia niolo toerana ny fikambanana ny foko fa
indrindra ny firenena malagasy.
Ny andro voalohany nahitana azy izy roa moa dia niresahana ny rafitra misy sy ny fandehany foko eto Madagasikara koa araka izany dia nafahan izy ireo naneho ny heviny sy ny fahitany ny zava-misy koa araka izany dia tsy nanaiky izy ireo raha tsy nitsidika ny tany amin ny faritra izay tsindriana etoana fa ireo mpitoraka avy any majunga dia nifanindry ny fahataongavan izy roa koa araka izany dia ny ekipa ny toamasina no nojerena voalohany fa aloha ny fandehanana dia mbola nanao fampisehoana tao amin n lycee jules ferry izy roa niarahana tamin ireo tanora tao amin ny CPO izay azo lazaina ihany koa fa anisan ireo ekipa ny tanora matanjaka tokoa ao amin ny foko-madagasikara ny CPO koa araka izany dia nampiseho sy nifandimby nanazava ny traikefa nanany avy i David sy Georgia tahaka ny fametrahana ny fanontaniana oe inona moa no atao oe blog,iza avy ireo olona afaka mampiasa izany na ihany koa ny fametrahana ny fanontaniana oe rehefa azonareo ireo article rehetra ny mpikambana ao amin ny GV sy ny RV dia ataonareo aiza izany sns… ny famaliana nataon izy roa dia tsotra satria dia notsoriny sy tsy nasiany fihambahambana daholo ny momba ireo fanontaniana izay rehetra napetraka.Ny fahatongavana tao amin ny lycee jules ferry dia tamin ny 9ora maraina ary ny fahataperana dia sahabo teo amin ny 11 ora atoandro.
Ny fialana tao amin ny lycee moa dia haingana tokoa satria dia voatery namonjy ny gare routiere koa araka izany dia nifanenjehana ny fotoana ary tena nahafinaritra ireo vahiny satria ny zavatra rehetra tao amin ny vaovao any foko miaraka amin ny sary rehetra hatramin izay dia notanterahana avokoa.
« | Jolay 2022 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
1 | 2 | |||||
3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 |
10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 |
17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 |
24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 |
31 |