Blaogin'i (foko) Blog Club

FCandy : Rimorimo

club | 08 Febroary, 2008 20:14

Mbola tsy afaka tao an-tsain’ny mponin’Itaosy akory ilay zazavavy kely nofisahan’ny kamiao noho ny hateren’ny lalana. Ny antony moa dia feno mpivarotra ny trotoirs. Nihafihafy be ilay zaza,hono, niaraka tamin’ny reniny nadeha tamin’ny sisin’ny trotoir. Nibolisatra tampoka anefa ilay zaza ary tonga dia ny tratrany manontolo no notetezin’ilay kamiao. Ny sary entiko aminao indray anefa dia taxibe 163 nirimorimo vao maraina ka nandona olona teo Ambatomitsangana.

 

tohizo ato 

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb